Ireto ary ny Mpanoratra blaogy farany mialohan’ny filazana ny mpandresy raminy 3 Febroary :
Iza moa i Tsikisariaka?
Raha azonao omena lohanteny telo ve izahay momban’ny blaogy nao
Ny blaogin’i Tsikisariaka dia blaogy amin’ny teny malagasy ranoiray ary mivoy ny maha-malagasy sy manandratra ny kanto malagasy
Inona nampantoganao nanoratra ary azo atoloranao eto ve ny lahatsoratra be mpamaky indrindra ao aminao?
Ny teny malagasy sy ny kanto malagasy ihany e !
Fomba iray entiko mampahafantatra ahy ny blaogy (mpanoratra tsy mahatafavoaka boky) fa indrindra koa hifaneraserana “amin’ny teny malagasy”, hifampilazana vaovao.Azo atao koa hoe hampitomboana ny faribolan’ny fifankahalalana.
Momban’ny inona ny lohantsoratranao manaraka?
vao avy nalefako ao, sady miarahaba aho no nitondra voandalana vaovao.
Mbola mianatra aho na dia efa “antitra” aza dia somary sahirana ka miala tsiny raha izao vao afaka mamaly. Vao avy nanatitra ny boky fikarohana ho tohanana ato ho ato mantsy e !
Mahereza sy mazotoa Jogany a ! dia lazao aho raha toa ilaina amin’ny teny “vazaha” izao valin-teniko izao. Tsy hoe mananihany fa tena andrianiko ny teniko, ny hafa koa voafehiko an !
Tahiry
- Janoary 2010 [1]
- Novambra 2009 [1]
- Oktobra 2009 [1]
- Martsa 2009 [1]
- Oktobra 2008 [1]
- Mey 2008 [1]
- Aprily 2008 [4]
- Martsa 2008 [6]
- Febroary 2008 [3]
- Janoary 2008 [1]
- Desambra 2007 [2]
- Novambra 2007 [8]
- Oktobra 2007 [8]
- Septambra 2007 [2]







