FIZOTRANY
Alatsinainy 12 Oktobra 06:00 AM EST (GMT-5)
Fisokafan’ny Fanendrena ireo bolongana
Alahady 29 Novambra 6:00 AM Alakamisy 31 Desambra 2009
Famaranana ny Fanendrena – Fisokafan’ny Efitra fitafatafana
Alatsinainy 30 Novambra 12:00 AM Alatsinainy 3 Janoary 2010
Hanomboka hanasivana ireo BOMBS 10 tafakatra amin’ny famaranana isan-tsokajiny ireo Mpitsara.
Fanombohana ny fifidianana izay homena ny loka “Coup de Coeur”
Alatsinainy 04 Janoary 6:00 AM Alatsinainy 3 Febroary 2010
Fanambarana ny vokatry ny BOMBS 2009
Raha mila version iCal
Rohin’ny Efitra hitafatafana
Tongava manampy isa anay ao amin’ny Facebook
Araho ny BOMBS ao amin’ny Twitter
Sokajy
Amin’ity andiany faharoa ity dia (nahena ho 4) nampitomboina ho 6 ny sokajy dia :
- Kolo Gasy: hanangonana ireo bolongana mahakasika ny kolotsaina malagasy.
- Mpivoy Gasy: hanangonana ireo bolongana mavitrika amin’ny zava-misy sy ny toe-draharaha any Madagasikara
- Vita Gasy: hanangonana ireo bolongana mahakasika foto-kevitra iray manokana eo amin’ny fiaraha-monina any Madagasikara
- Teny Gasy: hanangonana ireo bolongana mamoaka lahatsoratra amin’ny tenim-pirenena (lahatsoratra.2 na 3 eo ho eo)
- Tanora Gasy: ho an’ireo manome lanja ny tanora malagasy (mety ho 80 taona na mahery ny mpanoratra)
- “Coup de Coeur” kosa dia mahasahana ireo bolongana anatin’ny lisitr’ireo voatendry ka nahazo vato ambony indrindra nandritra ny fihodinana farany.
Ataovy anaty vohikala na bolonganao ny BOMBS
Raha mila bannières et logos
Asio widget -n’ny BOMBS ny vohikalanao.
Fitsipika
- Ny bolongana “weblogs” (wikipedia) rehetra izay manaraka andro tao anatin’ny enim-bolana farany mialoha ny 13 oktobra 2009 ary mahakasika an’i Madagasikara ny hevi-dehibe ao anatiny (lahatsoratra roa na telo) no azo atolotra hofidina.
- Ny fanendrena dia tsy maintsy hamarinin’ny komity alohan’ny hanekena azy mba hanalana ireo bolongana misy hevitra mivoy fanavakavahana na havetavetana.
- Ny IP iray dia manana zo hanendry bolongana 5 fara-fahabetsany (afaka manolotra maromaro ianareo saingy ireo 5 voalohany ihany no ekenay)
- N’iza n’iza dia afaka manolotra bolongana. Mazava ho azy fa ireo Mpitsara sy ireo mpikirakira tranokala dia tsy azo tendrena.
- Ireo bolongana voaaro amin’ny tenimiafina dia tsy azo fidina. Noho izany dia tsy maintsy azo hidirana malalaka eo amin’ny aterineto izy ireo. Ireo rohy tsy mandeha dia tsy ekena ary tsisy hafatra fampilazana alefa momba izany.
- Ireo bolongana 5 isan-tsokajiny mahazo ny fanendrena betsaka indrindra no miditra any amin’ny famaranana.
- Ny mpandresy ao amin’ny sokajy iray dia ny Bolongana nahazo vato betsaka indrindra avy amin’ny Mpitsara amin’ireo bolongana dimy notendren’ny besinimaro amin’io sokajy io.
- Ny Mpitsara dia manaraka ny fepetran’ ny hatsarana rehefa mifidy ireo BOMBS isan-tsokajiny manomboka ny 29 Novambra 2009
- Ny loka “Coup de coeur” dia hofidin’ny besinimaro manomboka ny 29 Novambra.2009 ka hatramin’ny 31 Janoary 2009.
Alatsaho dieny izao ary ny BOMBS
Ao anatin’ny komity dia misy ireo mpamorona ny fikambanana Foko-Madagascar izay nanomboka ny BOMBS Andiany 2007 ary miadidy ny BOMBS Andiany 2009. Ny filohan’ny Mpitsara dia hiadidian’ny iray amin’ireo mpamorona ny Foko-Madagascar (izay tsy ao anatin’ny komity)
- Ireo mpandresy tamin’ny BOMBS Andiany 2007 dia hanamafy ny Mpitsara ny Andiany 2009. Jereo ny mombamomba ny Mpitsara.
- Ny Mpitsara dia hametraka eto ireo fepetra ho an’ny lalao famaranana ny BOMBS ary hisafidy izay mpandresy araka izany.
- Ny lisitr’ireo Mpitsara dia havoaka eto miandalana ao amin’ny sampana Bolongana. Ny lisitra farany dia hampahafantarina ny 29 Novambra 2009.
Loka
Ny fisafidianana ireo loka dia apetraka amin’ny fahendren’ireo mpandresy izay hahazo anjara toerana lehibe eo anivon’ny tontolon’ny bolongana (!!) sy ny tombotsoa hitazona izany Anarana izany mandrapahatongan’ny andiany manaraka.
Fanontaniana ?
Raha sanatria misy fanontaniana manitikitika anao, na eo aza ny fahamatoran’ireo fitsipika voatanisa etsy ambony, dia azonao atao ny mandefa izany aty aminay fa hovalianay anatin’ny fotoana gasy izany.
Apetrao ato ny hafatra ary alatsaho ato ny BOMBS
BOMBS Andiany 2007 sy Andiany 2009 dia fifaninanana tsy manana tanjona ara-barotra ary tsy manana fironana politika karakarain’ny FOKO-Madagascar (fikambanana tsy natao hitadiavam-bola) mba hampandrosoana ny maha-izy azy ara-koltoralin’ny tontolon’ny bolongana malagasy. Ireo fepetra napetraka eto ireo dia natao ho famaritana ny fifaninanana. Ny komity sy ny Mpitsara any amin’ny famaranana dia manana fahefana amin’ny safidy farany amin’ireo bolongana voatendry. Ny fiantso hoe BOMBS dia fanalavana ny teny hoe “Best Of Malagasy Blogs”. Ny sariteny ampiasaina hampahafantarana ny BOMBS dia tsy manana tanjona afa-tsy amin’ny mahasariteny azy fa tsy mivoy hafatra na hevitra mirona amin’ny herisetra.

