Ireto ary ny Mpanoratra blaogy farany mialohan’ny filazana ny mpandresy raminy 3 Febroary :

Iza moa i Kdaombaramita?

Raha azonao omena lohanteny telo ve izahay momban’ny blaogy nao

blaogy miteny gasy mitantara fiainana
- blaogy miteny gasy mahatsikaiky
- l’art de maîtriser le CSS

Inona nampantoganao nanoratra ary azo atoloranao eto ve ny lahatsoratra be mpamaky indrindra ao aminao?

Nahita an-janako  miblaogy foana aho dia mba liana. T@ 27 mars 2008 (moa izy izay ?) sendra nisoratra anarana fontsiny tao amin’ny namana sersera aho dia indro nisy mail tonga tato amiko ary rehefa nozohiko dia afaka mamorona blaogy aho, ka teo no nianarako niblaogy voalohany. Ny fiandraiketana blaogy moa izany no tena sarotra tamiko t@ voalohany izay vao ny nitady lahatsoratra napetraka tao  . Nony nametraka lahatsoratra faharoa aho vao gaga fa hay mba nisy mpamaky ihany ity hevitro dia tamàna tamin’izay. Taty aoriana dia hitako taratra fa mifanaja ny olona ao amin’ny blaogy noho ny ao amin’ny forum, antony iray nanohizako azy izany, koa dia i KDAOMBARAMITA no nanehoako ny hevitro voalohany ary izy no blaogiko misongadina indrindra. Tsy vitan’izany fa lasa mpinamana amin’ireo olona mpamela lahatsoratra sy mpiblaogy aho na dia tsy mifankahafantatra endrika ary izahay, mahafinaritra ny hanihany ifaneraserana ao ! Anisan’ny be mpamaky indrindra koa ilay lahatsoratro tamin’ny 20/05/2009 mitondra ny lohateny hoe “lehilahy 12 taona nefa dia ….” , voavaky in-898 izy io, arahin’ilay faharoa izay nahitana fifanakalozan-kevitra mahatsikaiky be indrindra (46 isa) : ”Nareo lehilahy ireto tena tssss !” tamin’ny 23/10/2008 izay voavaky in-779.

Momban’ny inona ny lohantsoratranao manaraka?

Tena mbola tsy haiko izay ho soratako amin’ny manaraka. Te-hamoaka ny fijeriko manokana ny fahitako ny fiainana malagasy amin’izao vanim-potoana izao, sy ny fijeriko azy avy aty ivelany. Nefa moa itako fa tsy dia be loatra ny mpiblaogy tato ho ato, asa angaha fa mety ho variana any amin’ny Fb daholo ry zareo no fahafantarako azy ! Dia kamokamo aho hanoratra, hany ka mitohy moramora ny tantaran’i Ketaka na ny zavatra hafa mahatsikaiky eo am-piandrasana izany.