Ireto ary ny Mpanoratra blaogy farany mialohan’ny filazana ny mpandresy raminy 3 Febroary :

Iza moa i Maeva74?

Raha azonao omena lohanteny telo ve izahay momban’ny blaogy nao

Ireto telo ireto no mitoetra « ny finoana, ny fanantenana ary ny fitiavana » fa ny fitiavana no lehibe indrindra. Ireo teny telo ireo no nentiko hamantarana ny blaogiko. Izay notsohaiko manokana tao amin´ny Baiboly ( Koritianina 13-13) . Nindramiko ireo teny ireo satria ny tontolon´ny fitiavana sy ny vokatra haterany no tiako ho zaraina amin´ireo namana mpanaraka ny asa-soratro.
Ny fitiavana dia maro karazany tsy voatery ho lafatra foana ny fitia fa maro loko, koa izay no asehoko amin´ny alalan´ireo asa soratra soratako toy ny « tantara sy tonokalo ary angano » tiako ahazo fafiny avokoa na ny ankizy na ny tanora indraindra ireo efa zokinjokiny koa.
Ny finoana indray dia tsotra ihany, eo amin´ny fiainantsika dia ilaina ny finoana mba ho entina hiandrandra ilay ho avy misitery tsy haintsika fantarina eo amin´ny tontolon´ny fitiavana.
Ny fanantenana indray dia ilay hery manosika ny handroso tsy misalasala tsy arahim-panontaniana fa maniry ny ho tsara hatrany. Voalaza arakílay ohabolantsika Malagasy hoe : « NY VODIN-TSOBIKA AZA MANANA NY TANDRIFINY »

Inona nampantoganao nanoratra ary azo atoloranao eto ve ny  lahatsoratra be mpamaky indrindra ao aminao?

Mahafinaritra ahy ny miblaogy noho izao antony izao :
-    « Dia ny fahafahako mampiseho amin´ny namana ny tontoloko sy ny asa-soratro
-    « Ny fifanakalozan – kevitra eo amin´ny mpiblaogy hafa
-    « Ny fahafahana ihany koa mahafantatra ny tonton´ny hafa sy ireo kolontsaina vahiny asehon ´izy ireo.
Ny tantara sy tonokalo no efa narosoko tao amin´ny blaogiko ankoatr´ireo hirahira vahiny ankafiziko nataoko ho haingony ihany. Efa misy tononkalo vitsivitsy nosoratako vokatr´ireo aingam-panahiko ho vakiako sy asehoko mivantana ao amin´ny blaogy.

Momban’ny inona ny lohantsoratranao manaraka?

Arak´ ireo teny famantarana ahy raha vao manokatra ny blaogiko dia tantara no mahavantana ahy, ka ny zavatra harosoko amin´ny manaraka dia mbola izay ihany.
Tantaram- pitiavana hafa ary angano natokana ho an´ny rehetra.
Marihako etoana fa teny Malagasy no teny hentiko ampiasaina ato amin´ny blaogiko eny fa na dia tsinjo eny aza ny fahadisoantsipelina voamariky ny mpamaky dia miezaka aho ny hanaja izany fitenin-drazana izany. « ANDRIANIKO NY TENIKO »